ActualitésTsidika

Navoaka ny tombana nasionalin’ny fanabezana tamin’ny 2019

Nanaparitaka ny vokatry ny tombana nasionaly 2019 ho fanarenana sy famenoana ny banga eo amin’ny sehatry ny fanabeazana manerana ny Nosy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny alalan’ny « Unité d’Evaluation des Acquis Scolaires » (UEAS).

Ny UEAS, izay rafitra iray eo amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena, dia manaparitaka ny vokatry ny tombana nasionaly ny taona 2019 izay natao tamin’ny mpianatra miisa 2 248 tao amin’ny kilasy faharoa fototra (T2) sy mpianatra 3 700 tao amin’ny kilasy famaranana fototra (T5). Notsongaina tamin’ny alalan’ny antsapaka tamin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 295 izay misolo tena ireo sekoly manerana ny nosy izy ireo nanaovana ny tombana ireo hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Tanjona ny hampahafantatra eo mpisehatra isam-paritra ny valin’ny tombana izay nataon’ny UEAS ary koa fanangonana ny fanamarihana sy ny hevitr’ireo mpisehatra isam-paritra momba ny valim-pikarohana sy fitadiavana vahaolana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana manerana ny nosy » hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny UEAS. « Ilaina tokoa ny fanaraha-mason’ireo ray aman-dreny ny fianaran’ny zanany any an-trano sy ny fanaraha-mason’ireo tompon’andraikitry ny fampianarana eny ifotony tahaka izao » hoy i Lanto, mpampianatra. Tanterahina eo anivon’ ny Faritra 22 izao fanamparitahina ny vokatry ny tombana ka ny Faritra 6 no nanombohana izany, ny faha 22-23 Septambra 2021 teo izay nahitana ny faritra Atsinanana, Sofia, Betsiboka, Itasy, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.

Mila fampandrosoana hatrany ny fanabezana eto amintsika satria miankina amin’io ihany ny tena fampandrosoana ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire