Ambohimangakely : Nahazo ny anjarany tamin’ny fizarana fanomezana ny mpanabe sy ny mpandraharahan’ny sekoly
Nahazo ny anjarany tamin’ny fizarana fanomezana tamin’ny fankalazana ny noely ireo mpampianatra sy mpandraharahan’ny sekoly, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nozaraina vary sy menaka izy ireo nandritra izany, raha ny voalaza, tamin’ny zoma lasa teo.
« Anisan’ny mendrika ary rariny tokoa raha misitraka ny fanomezana ihany koa ireo mpanabe sy tomponandraikitry ny sekoly eto amin’ny kaominina, entin’izy ireo mankalaza sy mifety ny noely sy ny taom-baovao. Ireo mpanabe sy ny mpiasa mpandraharaha ao amin’ny CEG Antanambao, Antanetibe Ikianja, Soamanandrariny miampy ny lycée Ambohimangakely no notolarana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Hetsika fanohanana ny sehatry ny fanabeazana tokoa izao ataon’ireo tompon’andraikitra izao, hisaorana feno izy ireo amin’ireo tolotra izay nomeny sy ny fitsinjovana ireo mpampianatra » hoy i Tahiana, mpampianatra.
Anisan’ny manamarika ny fankalazana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona tokoa ny fanomezana sy ny fifampizarana. Fety fifaliana tokoa no andrasana ka rariny raha samy mahazo ny anjarany avokoa ny sehatra rehetra.
Manitra Ramanantsoa
