ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Hamay ny toetry ny andro amin’ny taona 2023

Araky ny faminavinan’ny Met Office Britannique dia mety ho taona hamay indrindra eo amin’ny tantara ny taona 2023. Hiakatra 1,2°C ary mety hihoatra ny « moyenne » ny mari-pana raha ny vinavinan’izy ireo. Antony ny fiakaran’ny fiparitahan’ny « gaz à effet de serre » vetivety eran’izao tontolo izao ka mampiova ny toetry ny andro hoy i Adam Scaife, tompon’andraikitry ny faminavinana maharitra ao amin’ny Met Office Britannique.

Raha mitombona izany faminavinana izany dia ho taona fahafolo ahitana mari-pana ambony noho ireo norefesina nandritra ny vanim-potoana talohan’ny indostria ny taona 2023. Raha tsiahivina dia ny taona 2016 no taona namay indrindra voarakitra izay nahatratra 1,3 °C ny « moyenne ».

Laisser un commentaire