ActualitésTatitra

Comores : Nomena fiofanana ireo mpanazatra mpilomano

Mpanazatra mpilomano dingana voalohany 17 no nahazo fihofanana tamin’ilay sangan’ny World aquatics, Phillippe Pascal. Notontosaina tao amin’ny Comité national olympique sy dobo filomanosan’ny toeram-pisakafoana Cœlacanthe tao Moroni ny fiofanana izay nifarana ny sabotsy teo.

Nanome tolo-kevitra ho an’ny federasiona nasionaly sy ny tompon’andraikitra ara-panatanjahantena mba hanamboara dobo filomanosana manokana i Pillippe Pascal nandritra io fampiofanana nomeny io. Tena manana finiavana hianatra ireo mpanazatra, hoy izy, saingy tsy manana toerana hanazaran-tena izy ireo aorian’ny fiofanana.

Nisy tamin’ireo nanatrika ny fiofanana ireo kosa efa nahazo medaly volatsotsy tamin’ny 50 m « nage libre » tamin’ny Jeux des îles tao Maurice tamin’ny taona 2019. Isan’izany i Fahad Ahamda Msa, Amir Illiassa ary Michel Mdahoma.

Laisser un commentaire