Fetin’ny Noely : Niteraka lozam-pifamoivoizana betsaka ny moto nandritra ny faran’ny herinandron’ny fety
Miisa 40 ireo niharan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny kodiaran-droa nandritra ny roa andro nankalazana ny Noely. Manolona any toham-boivoy ela loatra rehefa fety toy izao dia miasa mafy ny kodiaran-droa ka izay indrindra no miteraka ny loza.
« Nanamarika ny fetin’ny Noely tamin’ity taona ity ny lozam-piarakodia kodiaran-droan raha ny nadnalo teto aminay. Tamin’ny olona 65 nato fizahana sy noraisina teto dia 40 amin’ireo nandeha moto avokoa. Ny 25 kosa dia vokatry ny fimamoana be loatra », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny HJRA.
« Ny vinavina tamin’ny loza toy izao indrindra no nahatonga anay nanao ilay hetsika fitsirihina fiarakodia sy fijerena ny mahakasika ny moto. Misy amin’izy ireny mantsy tsy ampy fitandremana kely fotsiny amin’ny « état » an’ny moto izay entin’izy ireo ka iny no miteraka olana sy loza. Etsy ankilany anefa tsy vitanay irery izany fa mila ny fahatongavan-tsain’ireo mpamily rehetra », hoy kosa ny avy ao amin’ny sampana mpitsirika fiarakodia.
Ankoatra ny fitandremana izay tokony hatao sy ny fijerena ny fiara izay entina dia ilaina hatrany ny mahay sy mahafantatra ny atao hoe lalànan’ny fifamoivoizana.
Rehefa fety toy izao no tena mamoka ny kodiara-droa avokoa ny olona hitsoahana amin’ny fitohanana. Hevitra mahomby saingy tsy tena miaro ny aina ary mety hiteraka fahafatesana mihitsy. Vahaolana iray ihany koa anefa ny famerenana ireo jiro miloko telo hialana amin’ny fitohanana sy hahafahan’ny rehetra manaraka ny lalànan’ny fifamoivoizana.
Miora Raharisolo
