Ambaratabe : Dahalo ireo maty notifiran’ny zandary fa tsy olon-tsotra
Diso ny fanambarana nataon’ireo Antandroy fa tsy tia azy ireo ny ben’ny tanàna any Tsiroanomandidy, hoy ny ben’ny tanànan’Ambarataba.
Nisy ny antso avo nataon’ireo Ray aman-dreny be lonaka tao Tsiroanomandidy momba ilay famonoana Antandroy tany Ambaratabe ny fito ambin’ny folo ny volana aogositra lasa teo. Nilaza izy ireo fa nosamborina ireo havany, nidina antranomaizina ary notifirina. Ny ben’ny tanàna mihitsy hoy izy ireo no manao fitondrana mitanila ka te handringana azy ireo. Nanao fanambarana anefa ny tompon’andraikitra sy ny mponina eny an-toerana fa lainga ary fanosoram-potaka no betsaka fa dahalo ireo olona voatifitra ireo.
Nitondra ny fanazavany avy hatrany ny ben’ny tanànan’Ambaratabe Andry Malalasoa Tamby Sitraka raha vantany vao nandre ny fampitandreman’ireo Ray aman-dreny be ireo: « Manameloka ny filazana aho fa manavakavaka ny tenako, tsy manavakavaka izahay fa rehefa mpanao ratsy dia tsy maintsy andraisana fepetra ». Nilaza ihany koa ny tenany fa tsy teo an-toerana tamin’io fotoana io ary ny mpitandro ny filaminana no nandray an-tanana io raharaha io.
Nanao ny fanehoan-keviny ihany koa ny Lieutenant Colonel Mijoro Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena tany an-toerana fa rehefa nitsoaka ireo dahalo miisa folo dia raikitra ny fifanenjehana. Rehefa tratra ny sasany tamin’izy ireo dia nentina nitady ireo namany ka tafatsoaka indray dia nifanenjehana nandritran’ny adiny telo. Voatery nampiasa basy ny mpitandro filaminana satria nikasa ny hangalatra ny basin’izy ireo ny dahalo. Marihana fa niaraka nifarimbona tamin’ireo mpitandro filaminana ny fokonolona tamin’ny fanenjehana ireto dahalo ireto. « Izao foana no ataon’ny Antandroy, manafika sy mamono izy ireo ka rehefa tratra dia mody milaza fa tsy dahalo ny havanay. Leo ny mpitandro filaminana satria avotsotry ny fitsarana izay tratran’izy ireo » hoy i Leon, mponina eny Ambaratabe. Raha naneho ny heviny kosa i Charlie, olona eny an-toerana ihany dia nilaza fa « fanadiovan-tenan’ireo zandary izao fanazavana izao fa tsy mitombina. Raha dahalo efa misy menotte tsy afaka handrava basy izany intsony ».
Tsy fantatra mazava izay tena marina sy tsy marina amin’ity raharaha ity. Raha ny tsikaritra aloha, misy ny tsy fitoviam-poko. Mety hoe izay ve no anton’izao fanehoan-kevitra mifanipaka izao ? Ny andaniny mahatsapa fanavakavahana, ny ankilany kosa manendry ny andaniny ho dahalo ka tsy maintsy saziana. Azo atao tsara nefa ny fifanantonana sy fifampiresahana, hijerena izay marimaritra iraisana afaka apetraka. Amin’izay fotoana izay kosa samy manaja ny didy sy fifampitondrana ny roa tonta.
Tsy voatery iandrasana ny fitondram-panjakana ny tranga tahak’izao fa ireo mpiara-monina ireo ihany no mifampivory sy mandamina ny olana.
Tsangy Randriamampianina
