Alasora : Napetraka ireo mari-pamantarana handaminana ny fifamoivoizana
Napetraka ireo mari-pamantarana amin’ny rindrina, mba handaminana ny fifamoivoizana sy ny fampiasana ny lalana ao amin’ny kaominina Alasora.
« Anisan’ny tery dia tery raha ny lalana eto Alasora. Mila mitandrina avokoa ireo mpampiasa lalana na ny mpandeha tongotra na ireo fiara ary tokony hifanaja hatrany satria ireo tomponandraikitra efa manao hatrany ho fandaminana isan-karazany mba hampirindrana ny fifamoivoizana ka tokony samy hanaraka daholo ny rehetra » hoy i Teddy, mponina ao Alasora.
« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fandaminana ny lalana sy fampirindrana ny fifamoivoizana eto an-toerana. Izany ihany koa no hanentanana hatrany ny mponina mba hanaraka ny lamina napetraka sy hifanaja satria miankina amin’izany ny fampandrosoana » hoy ireo tomponandraikitra.
Zava-dehibe ny fametrahana ireo mari-pamantarana mahakasika ny fitsipiky ny fifamoivoizana. Natao ho arahana sy hajaina anefa izy ireny ary tokony hifanentana ny rehetra sy ho samy sarotiny mba hisian’ny fiovana.
