Kenya : Risika amin’ny fanaovam-baksiny RTS,S/AS01 fanefitry ny tazomoka ny mponina
Ny volana oktobra 2021 teo no nanentana ny fampiasana ny vaksiny fanefitrin’ny tazomoka na « Vaccin antipaludique RTS,S » ny OMS. Raha tsiahivina efa natao andrana nanomboka ny taona 2019 tao Malawi, Ghana ary Kenya io vaksiny io.Marihana ihany koa tamin’ireo olona matin’ny tazomoka 637 000 ny taona 2020 teo dia teto Afrique ny 96 isan-jaton’izany. Efa maro kosa ireo olona ao Kenya risika amin’ny fanaovam-baksiny fanefitrin’ny tazomoka, indrindra ireo mponina ao Kenya andrefana, akaikin’ny farihy Victoria. Zaza maherin’ny 100 000 no efa vita vaksiny hoy ny Dr Simon Kariuki, mpikaroka momba ny tazomoka ao Kenya. Nanamafy izy fa ny zaza no tena lavon’izany saingy efa 40% ny zaza ao an-toerana no tsy ahatahorana.Ny OMS kosa dia nametraka fa mila manao fatra efatr’io vaksiny io ireo zaza maherin’ny 5 volana amin’ny faritra tena be aretina tazomoka.
