Sénégal : Andro tsy fiasana androany ao Dakar
Noho ny fandresen’i Sénégal an’i Egypte ny alahady teo tamin’ny « tirs au but » 4 no 2 tao Yaoundé dia faly tanteraka ny mponin’i Sénégal. Nahazo ny amboarany voalohany tamin’ny CAN izy rehefa nihitsana teo amin’ny lalao famaranana tao Caire telo taona lasa izay.Niverina natanjaka i Sénégal. Tena fifaliana lehibe mampiakatra ny hambom-pirenena izany fandresena izany hoy ny filohan’i Sénégal, Macky Sall. Manoloana izany dia nanapa-kevitra izy fa andro tsy fiasana andraisam-bola androany ao an-toerana ho fanamarihana izany.
