Italie : Mpiandry fonja nosamborina noho ny fampijaliana ireo ankizy tsy ampy taona
Mpiandry fonja miisa 13 no nosamborina tao Italie noho ny fampijaliana na fanaovana herisetra amin’ireo ankizy tsy ampy taona voafonja, tao Mila avaratra. Mpiandry fonja valo hafa kosa no naato tamin’ny asany. Nirosoana izao fisamborana tao amin’ity fonja fanarenana ny ankizy tsy ampy taona izao « cesare Beccaria » taorian’ny fanadihadiana natao tao an-toerana, fa hatramin’ny taona 2022 no mampijaly ireo voafonja ireo mpiambina ny fonja ireo. Tao anatin’izany, miray hina amin’ny fampijaliana ireo tsy ampy taona ireto farany, izay efa mihoa-pefy ary manao fanararaotam-pahefana ihany koa. Ankoatra izany, misy ireo manararaotra ara-nofo amin’ireo voafonja tsy ampy taona. Tamin’ny alalan’ny fitarainana, tamin’ny antso an-tariby ary sary azo tao amin’ny fonja sy fijoroana vavolombelona nataon’ireo voafonja teo aloha no nahafahana nahatratra ireo mpiambina fonja ireo. Maro ny voafonja ao amin’ny fonja ao Italie, efa mitazona voafonja mihoatra ny isa araka ny tokony ho izy izany, raha toa ka 47.300 faran’ny betsaka ny voafonja tokony tazonina ao an-toerana, dia efa maherin’ny 60.300 izany amin’izao.
