ActualitésTsidika

Ambohimanga rova:  Mpamily iray nitsoaka rehefa avy nandona mpitondra tongodroa

Fiara mpitatitra iray, zotra D, no nandona mpitondra tongodroa teo amin’ny sampanana Ambohimanga rova, ny harivan’ny alatsinainy teo. Naratra mafy vokatr’izany ilay nitondra tongodroa kanefa nandositra ilay mpamily, araka ny voalaza.

« Tsy nijanona ary nitsoaka io fiara io taorian’ny loza, zotra D misy tsipika mena, mampitohy an’Ivato sy Vassacos. Nentina namonjy hopitaly tao Anosy Avaratra ity farany, avy eo nentina tao amin’ny sampana vonjitaitra tao Befelatanana noho ny fahavakisan’ny taolan-tavany » hoy ny avy amin’ny CIRGN Antananarivo.

« Ny tranga toa izao no tokony hampiharana ny lalàna. Efa maro loatra ny tranga tahaka izao miseho. Tsy ampy ny fampiharana ny lalàna kanefa misy ireo mitondra takaitra noho ny tsy fandraisana andraikitry ny hafa » hoy i Rado, mponina ao Ambohimanga rova.

Hatramin’ny omaly, niandry ity mpamily ity hitolo-batana sy handray andraikitra ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire