ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nidoboka eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ilay lehilahy nanolana ny zana-badiny nandritra ny telo taona

Mitohy hatrany ny fanadihadiana momba ilay tranga fanolanana tovovavy 17 taona, nitarika hatramin’ny fitondrana vohoka, nataon’ny raikeliny tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny herinandro lasa teo. Niakatra teo amin’ny fitsarana, tamin’ity herinandro ity ilay lehilahy ka nidoboka eny Tsiafahy avy hatrany.

« Tohin’ny r??????? ?????????? ???????? 17 ????? ????????? ?? telo ?????. ???????? ????’?? ?????????? ??????. ????????? ??? ????’?? f???????’?? ?siafahy ??? ???????? ??? ?????? ??? ??????? ??? ?????????’?? f???????? ???????? 05 ?????? 2024 ??????? ?? ??????-????????? ??? » hoy ny avy amin’ny poste avancé Soamanandrariny.

« anisan’ny mbola olana lehibe mahatonga ny fiverenan’ny tranga fanolanana sy ny mampitombo isa izany tranga izany foana ny tsy fampiharana ny lalàna sy ny fifehezana ny lalàna. Kanefa tena olana lehibe io, lasibatra avokoa na ny zazavavy kely na ny tovovavy, eny na ny zazalahy aza, miteraka fahaketrahana ara-tsaina, fahasimbana ara-moraly, ara-batana io tranga io » hoy i Nekena, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Raha tsiahivina, ny herinandro teo no nitaraina ny tranga nahazo azy sy niainana nanomboka ny taona 2022, tao amin’ny zandarimaria Ambohimangakely sy ny reniny ity tovovavy 17 taona ity. Tamin’izany no nahafantarana fa niharan’ny fanolanana sy herisetra nataon’ny raikeliny izy ary norahonana ho faty raha milaza ny marina.

Laisser un commentaire