SocialTsidika

Mbola mahazo vahana hatrany ireo mpanondrana hazo sarobidy

Mbola voarara ny fitrandrahana, ny fitaterana, ny famindran-toeranaary ny fanondranana ireo hazo sarobidy rehetra eto amin’ny tanin’ny Madagasikara. Anisan’izany ny andramena (bois de rose), ny Voamboana (palissandre), sy ny Hazomainty (ébène). Mbola tsy fantatra ihany koa ny mahakasika ny fitrandrahana ny hazo tsotra, mba hisorohana ny tontolo iainana. Misy amin’ireo mpitrandraka hazo tsotra anefa no milaza fa ilaina ny fitsinjovana ny famatsiana ny tsena anatiny sy ny seha-pihariana hazo mifandraika amin’izany. Mbola eo andalam-pandinihana ny mahakasika io anefa ny tompon’andraikitra ankehitriny raha toa ka nisy ny fandraràna hanao izany ny taona 2020. Fa etsy ankilany, na eo aza anefa ireo fepetra hanaraha-maso ireo mpanondrana hazo sarobidy, mbola misy ihany ireo minia maka izany antsokosoko, ary tsy vitsy izy ireo. Misy amin’ireo mpanondrana an-tsokosoko ireny no mandefa azy any amin’ny fari-dranomasina ary mitady fomba hafa tsy ahafahana manara-maso izany. Amin’izao fotoana izao aza, mbola maro ireo mpanao izany fanondranan izany. Raha ny fanadihadihana nataon’ny mpiandraikitra ny hazo sarobidy, 60% azo sarobidy no efa voaondrana tsy ara-dalàna nnandritran’ny 20 taona mahery izao. Manoloana izany indrindra no efa nisian’ny politikam-panjakana hiadiana sy hamongorana ny tontolon’io fanondranana io. Vao tsy ela akory anefa izay no nahatratrarana hazo miisa 700 indray tao amin’ny lalam-pirenena faha7. Izy ireo izay hazo maro karazana tamin’ireo izay sarobidy. Manoloana izao fivoahan’ny harem-pirenena izao indrindra no tokony handraisana fanapahan-kevitra hentitra, ary tokony hametrahana politika mazava indray ny amin’ny mahakasika ireo lalàna momba izany. Ilaina ihany koa ny fikaonandohan’ny minisiteran’ny tontolo iaianana sy ny ireo fikambanana marobe misehatra amin’ny fiarovana ny harena an-kibon’ny tany sy ny maro samihafa.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire