ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana natolotry ny kaominina Ambohimangakely. Fiaraha-niasa teo amin’ny kaominina sy ny ministera misahana ny fahasalamana ary ny SDSP sy ny tobi-pahasalamana tao an-toerana no nahatontosa izany.

« Nisy ny fijerena tosi-dra maimaim-poana, fitiliana ny VIH SIDA, fanaovana vaksiny COVID, fanabeazanaizana ho an’ny vehivavy ary fitiliana ireo marary. Nisy ihany koa ny fanomezana fanafody maimaim-poana ireo marary rehetra tonga. » Hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tena ilaina tokoa ny hetsika tahaka izao. Maro ireo mponina sahirana amin’izao fotoana ka tsy mahavita manantona toera-pitsaboana intsony. Hisaorana ny tomponandraikitra » hoy i Nivo, mponina ao Ambohimangakely.

Ankoatra ny fitiliana ireo marary sy ny fizarana fanafody ity moa dia nisy ny fanentanana sy fizarana torohevitra ho an’ireo olona tonga teny an-toerana.

Laisser un commentaire