SocialTatitra

Brésil : Manodidina ny 120 ireo olona maty, 756 ireo naratra vokatry ny oram-be

Nitohy, namely ny faritra atsimon’i Brésil hatrany ny oram-be hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Nihamafy ny fahavoazana any an-toerana vokatr’izany fitohizan’ny orana izany. Hatramin’ny zoma teo, nivatravatra ny orana tao Rio Grande do Sul, na dia efa anaty rano tanteraka aza ity faritra ity, hatramin’ny fisian’ny loza voajanahary tao an-toerana, izay nitondra andro ratsy. Vokany, maherin’ny roa tapitrisa ireo olona voakasika. 116 eo ireo olona efa namoy ny ainy tao anatin’izany, 756 kosa ireo naratra. Manodidina ny 150 kosa ireo olona tsy hita popoka. Manoloana izany anefa, manahy ireo tomponandraikitra any an-toerana ny amin’ny mety mbola hiakaran’izany tahan’ny fahavoazana izany noho ny zava-misy, izay miha-mafy kokoa. Nisy moa ny famindrana toerana ireo mponina tany an-toerana. Trano fonenana 85.000 kosa no efa rava tao anatin’izany.

Laisser un commentaire