SocialTatitra

Maurice : Afaka mandeha amin’ny firenena miisa 146 tsy misy Visa ny mponina

Nanao fifanarahana tamin’ny firenena maro i Maurice ka efa afaka mifamezivezy amin’ny firenena miisa 146 tsy misy Visa ny mponina ao aminy. Ahafahan’ny nosy mitana ny laharany ao amin’ny « Henley Passport Index » izany.

Ny « Henley Passport Index » moa dia famantarana ny isan’ny firenena afaka alehan’ny olona avy amin’ny firenena iray tsy mila Visa.
Eo amin’ny laharana faha 33 amin’izany i Maurice. I Japon kosa no laharana voalohany ao amin’io lisitra io izay afaka miazo firenena 193 tsy misy Visa, Singapour sy Corée du Sud no manaraka azy amin’ny firenena 192.

Laisser un commentaire