Jamaïque : Shelly-Ann Fraser-Pryce, 35 taona nefa mbola mitana tsara
I shelly-Ann Fraser-Pryce dia ilay vehivavy mpihazakazaka Jamaikana, manana ny lazany manonaka eo amin’ny taranja atletisme ary ny fahaiza-manaony amin’ny « sprint » izay efa nandrombahany mari-boninahitra maro maneran-tany. Teraka ny 27 Desambra 1986 tao Kingston izy; ary vosokajy ho isan’ny « sprinter » mendrika indrindra hatramin’izay. Izy no hany atleta teo amin’ny tantara nahazo anaram-boninahitra olaimpika roa (2008 sy 2012) ary anaram-boninahitra eran-tany dimy (2009, 2013, 2015, 2019 ary 2022) teo amin’ny hazakazaka mafy 100 metatra.
Ny habeny kely no anisan’ny nampiavaka azy tamin’ireo atleta hafa, izay nahatonga azy nanana ny anaram-bositra Pocket Rocket, ary lasa Mommy Rcket izy taorian’ny nahazoany ny zanany ny taona 2020.
Tamin’ny 17 Jolay 2022 tany Eugene nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny atletisma 2022, izay nandraisany anjara teo amin’ny faha-35 taonany teo amin’ny hazakazaka 100m, dia izy no atleta voalohany nahazo anaram-boninahitra eran-tany dimy tamin’ny halavirana sprint.
