ActualitésTatitra

Belgique : Zazalahy iray no novonoin’ny raikeliny tamin’ny fomba feno habibiana

Tovolahy kely iray 9 taona no nonina tao Gand, Belgique niaraka ny zokiny vavy 11 taona sy ny reniny ary ny raikeliny. Nanao herisetra tamin’ireo nefa io lehilahy io ary nihamafy hatrany ny vono nataony. Tany amin’ny fiandohan’ny taona tany dia novelesin’io lehilahy io ny fehikibo sy ny totohondry ilay zazahaly kely ary notondrahany ny rano mangotraka. Taorian’izany dia namoy ny ainy noho ny vono nahazo azy ilay zazalahy.

Nofonosin’ilay raikeliny sy ny reniny harona plastika nefa ny razan’ity farany ary natsipin’izy ireo tao amin’ny renirano iray tao Gand izay tsy lavitry ny trano fonenan’izy ireo. Tsy nisy nahatsikaritra ny fitsaharan’ilay zazalahy tamin’ny fianarany ary volana maromaro taorian’ny tranga vao nandefa hafatra nampiahiahy ny anadahiny ilay renim-pianakaviana. Io anadahiny io no niantso ny manam-pahefana.

Natao avy hatrany fanadihadiana ary ilay zazavavy 11 taona no nilaza ny marina rehetra. Avy hatrany dia nosamborina ilay renim-pianakaviana raha tafatsoaka any Allemagne kosa ilay raikely.

Laisser un commentaire