Fonja vaovao : Laharam-pahamehana ve izany ?
Raha tsiahivina nandritra ny fandalovan’ny Filoham-pirenena tany Ambositra ny faran’ny herinandro teo dia nitokana ny fonja vaovao tao an-toerana ny tenany. Izay marihina moa fa mahazaka voafonja miisa 900. Mipetraka moa ny fanontaniana hoe laharam-pahamehana ve ny fananganana fonja amin’izao fotoana izao. Mbola maro ireo olana sedrain’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao toy ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra, eo ihany koa ny fahasahiranana amin’ny fikarohana asa…
« Tsy laharam-pahalmehanana ny fananganana fonja saingy ilaina satria sahirana miaina ireo voafonja noho ny fahateren’ny toerana misy azy ireo. Etsy ankilany anefa dia tsy ny fonja mihitsy no tokony hamboarina fa ny fanabeazana ireo voafonja sy ireo zaza sy tanora no tokony himasoana. Mahavaha olana maro isan-karazany ny fanabeazana raha izany no hatahorana. Amin’io voalaza io dia nomarihina mihitsy fa mahazaka voafonja miisa 900 ity toerana ity. Olona miisa 900 izany na mahery no mbola tokony hobeazina amin’ny fialana amin’ny ratsy », hoy i Harimanitra, mpanohana ara-tsaina (Psychologue) iray.
« Amiko anisan’ny vahaolana ho an’ny fialana amin’ny fanaovana asa ratsy mety mampigadra di any fananganana orinasa. Orinasa afaka mandray ireo olona sahirana tao anatin’ny fianarana. Eo ihany koa ny fanamboarana ireo fot-drafitr’asa hamoahana vokatra ary indrindra ireo fotodrafitr’asa hahafahana mampiroborobo ny fambolena sy ny fiompiana », hoy i André, mpianatra mahakasika ny toe-karena.
Tsara ny manamarika fa tsy vao ity no fonja manara-penitra namboarina tamin’ity fitondrana ity. Tokony hikaroham-bahaolana anefa ny tsy hisian’ny asa ratsy. Hisian’ny filaminana fa izany no ilain’ny vahoaka Malagasy. Asa mafy anefa izany ka mila ny fandraisana andraikitry ny tsirairay, na any an-tokantrano, na any am-pianarana ary eny amin’ny tontolo rehetra manodidina eny.
Miora Raharisolo
