Ambohimanambola : Mandry tsy lavo loha ny mponina
Indroa nisehoana tranga fanafihana mitam-piadiana sy niaro vono olona tao amin’ny kaominina Ambohimanambola tamin’ny herinandro teo. Manoloana izany, mandry tsy lavo loha ny mponina ary miantso sy manainga ny mpitandro filaminana ireo mponina mba handray fepetra.
« Ny zoma alina hifoha sabotsy, lehilahy miisa enina no nanafika toka-trano iray tao amin’ny fokontany Ambohipeno. Fanafihana efa tsara homana raha ny fahitana ny tranga satria nisy ny fanapoahana basy nataon’ireo jiolahy tety ivelany mialohan’ny nidirany tanaty trano saingy nifangaro tamin’ny feon’afomanga izany ka tsy nampikoropaka ny maro » hoy i Tiana, mponina eny amin’ny manodidina.
« Fotoana tsara hampiarana ny tanamaron’ny fandriampahalemana izao. Mila samy mailo ny mponina fa tena mampivarahontsana ny trangana tsy fandriam-pahalemana ankehitriny. Hanaovana antso avy amin’ny tomponandraikitra mahefa rehetra mba hijery akaiky izany » hoy i Harisoa, mponina ao Ambohimanambola.
Vola mitentina 4 hetsy ariary sy finday iray moa no lasan’ireo jiolahy nandritra ity fanafihana ity. Raim-pianakaviana iray kosa no namoy ny ainy vokatr ny famonoana nataon’ireo jiolahy azy. Ankoatra ity tranga ity moa, dia nisehoana tranga toa izany koa ny teny amin’ny fokontany Ambohitsimeloka, tamin’ny herinandro teo ihany.
Manitra R.
