ActualitésTsidika

Andranomena : Lehilahy iray tratra nangalatra moto

Lehilahy iray nikasa ny angalatra kodiaran-droa teny Andranomena no tra-teheky ny mponina teny amin’ny manodidina. Efa za-draharaha amin’ny fangalara ity lehilahy, manamarina izany ny fahitana fanalahidy mety amin’ny rehetra sy ny aro-loha tao anaty kitapony.

Ankoatra ny fisolokiana sy fangalarana dia nahita finday maromaro tany amin’ity lehilahy, izay ahiana ho halatra ihany koa. Mirongatra hatrany ny fangalarana moto ankehitriny, vao tsy ela akory izay no nahatratrana ilay tovolahy nangalatra moto teny Namontana.

Malaza ratsy mihitsy ny moto amin’izao fotoana, ankoatra ny lozam-pifamoivoizana, ny halatra inray izao no mahazo laka. «  »Tsy misy hamatarana azy intsony olon-dratsy amin’izao, ity lehilehy ity izao avy dia namelona ilay moto, ohatran’ny hoe izy mihitsy ny tompony. Ny hany nahafantarana fa mpangalatra izy dia ilay aro-loha tany anaty kitapony » hoy i Njiva, olona nantri-maso. « Mahavonjy amin’ny fotoana rehetra ity fitaterana iray ity, saingy mila malina hatrany manoloana ny mpangalatra, indrindra eo amin’ny lafiny fifamoivoizana » hoy i Aina, mpitondra kodiaran-droa. « Tsy ekenareo mpamolavola sy mpanao lalàna ny fitsaram-bahoaka, tsy ekenay vahoaka ihany koa ny tsy hampiarana ny lalàna amin’ireo olona meloka. Manaja ny lalàna mifehy izahay koa iangavianay ihany koa ianareo mpitsara sy ireo manam-pahefana hanome sazy mavesatra ho an’ireo mpambotry vahoaka » hoy i Mahefa, filohan’ny fikambanan’ny kodiaran-droa.

Tsy hita ivelany tokoa ny mpanao ratsy, ny tompon’ny fananana no mila miambina mandrakirava. Mampiseho miharihary ny tsy fananan’asa sy ny fahantran’ny Malagasy izao trangana tsy fandriam-pahalemana miseho manerana ny Nosy izao. Asa mendrika ho an’ny rehetra anefa no ampanantenain’ny filoha ho an’ny vahoaka, izay voarakitra ao anty velirano faha enina.

Efa taratry ny velirano ve noho izany ny zava-misy ankehitriny ? Sa ny fahitana ireo fonja manarampenitra tokanana etsy sy eroa no mampirongatra ireo mpanao ratsy ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire