ActualitésTsidika

Hankalaza ny faha 50 taona nijoroany ny sekoly ambony ny polisim-pirenena Ivato

Noezahina hifanindry an-dalana amin’ny fahatsiarovana ny faha enimpolo taona niasan’ny polisim-pirenena indrindra ity hetsika fankalazana ny sekoly ambony etsy Ivato ity. Hohamarinina amin’ny famoahana anarana vaovao ho an’ny sekoly ny andro fankalazana. Ampitondraina ny anaran’ny jeneraly Amady Augustin, izay filoha mpanorina ny toby fony izy Minisitra niadidy ny polisim-pirenena ny sekoly raha ny tapaka tamin’ny fian-kevtry ny Minisitra ny 06 oktobra lasa teo.

Toy ny fankalazana rehetra dia haverina ampahafatarina ny vahoaka manontolo ny tantaran’ny sekoly nadritra izay dimapolo taona niorenany izay. Miara-dalana amin’izany fankalazana izany ny fametrahana eo ambany faneva ireo mpianatra vaovao nahavita ny fiofanana fototra iraisana nandritra ny 45 andro. Tsara ny manamarika fa tsy maintsy manaraka fiofanana ara-batana sy ara-tsaina nandritra ny 45 andro ireo mpianatra. tanjona amin’izany ny hananan’izy ireo herin-tsaina amin’ny hiatrehana indray ny fiofanana mandritra ny 2 taona.

« Vonona hiaro ny vahoaka sy ny fananany, ekena hoe tsy mora ny asa miandry saingy efa mivonona tanteraka amin’izany izahay » hoy i Solofo, mpianatra nanaraka ny fampiofanana. « Miara miasa amin’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana, samy manana ny anjara andraikitra tokony sahaniny tsy tsirairay mahakasika ny fampandriana ny fahalemana, tsy vitan’ny olo-tokan izany fa mitaky fiaraha-mientana » hoy i Volasoa, mpianatra. « Mirary soa ho an’ny rehetra hahavita antsakany sy andavany ny asa izay efa nanaovany fiofanana, dia mba ho tena iasa ho an’ny tanindrazana tokoa ianareo, izay ihany no angatahanay vahoaka » hoy i Niavo, renim-pianakaviana.

Anisan’ny mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ireo mpitandro ny filaminana amin’ny alalan’ny asa izay sahanin’izay ireo. Fototra iaingan’ny fivoarana ny fanomezana fiainana milamina ny vahoaka, koa izany indrindra no antony nametrahana izany anaty velirano voalohany. Izany hoe rehefa mandry fahalemana ny fiaraha-monina dia mandroso vokatr’izany ny raharaha rehetra. Tsikaritra fa mihamaro hatrany ireo tanora sy olom-pirenena misafidy ny asa fitandrona ny filaminana. Etsy ankilany, mihamitombo isa ihany koa ny trangana tsy fandriam-pahalena eto Madagasikara, inona no mety ho antony ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire