SocialTsidika

Nahazo 150 tapitrisa dolara ho tohana ara-tsosialy i Madagasikara

Hisy ny fivoriana mandritra ny dimy andro any Toliara mba hanatanterahana ny tetikasa tohana ara-tsakafo sy famatsiana tokantrano maro any amin’ny faritra 14 izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena 150 tapitrisa dolara izay tanterahan’ny talem-paritr’ireo faritra 14 ireo.

Ny fivoriana izay atao mba hampitovy ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana ireo tetikasa any amin’ny faritra tsirairay avy ka ahazoana hanatsara sy hanombana ny fiatefan’ny tetikasa ka ho samy hisitraka izany avokoa ny olona eny ifotony.Atao izay hampirindra sy hampitovy ny asa ary hiantraika mivantana amin’ireo marefo sy sahirana ara-pivelomana tokoa ny famatsiana izay azo.Miseho amin’ny endika maro koa anefa ny tetikasa ny tohana ar-tsosialy toy ny Ankohonana Miarina, Asa avotra, Toseke vonje Aigne… fa misy ny fanentanana maro isan-karazany sahalan’ny fandrindram-piterahana, ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy sns…

Ilaina ny fisitrhan’ny olona rehetra amin’ity tetikasa ity indrindra fa ny tena voasokanjy ho tena marefa ara-pivelomana sy ny tena sahirana raha ny fanehoan-kevitry ny mpiantsehatra amin’ity tetikasa ity.Raha ny tombatomban’ny Depeche informative Taratra dia olona eo amin’ny 4 tapitrisa eo no misitraka ity tohana ara-tsosialy ity izay mizara amin’ny faritra 14 izany hoe tokantrano eo amin’ny 863 217 eo izany. Mitohy hatramin’ny 2024 ny famantsian’ny banky iraisam-pirenena ny tohana ara-tsosialy tahaka ity raha ny fabnampim-panazavana.

Ny faritra manerana ny nosy mihitsy no tokony hisitraka izany famatsiam-bola izany ka samy mahazo izay tandrifiny ny faritra rehetra saingy misy ireo faritr izay tena hita fa mila izany indrindra fa ny any amin’ny faritra Atsimo. Mila tohizan’ny fanjakana ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo izay tena anatin’ny fahasahiranana lalina fa tsy voatery hiandry sy manantena ny fanampiana avy any ivelany foana vao voatohana ara-tsakafo izy ireny.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire