Raharaha Anjozorobe : Iza no henoina, ny zandary sy ny mponina ?
Nandiso ny vaovao naparitaky ny mpikambana iray tao amin’ny tambazotran-tseratsera ny Zandarimariam-pirenena.
Raha atao ny tamberina, nanao fizarana tao amin’ny tambazotran-tseratsera « facebook » ny lehilahy iray atao hoe « Assimi Marley » fa namono olona indray ny zandary tany Anjozorobe, ramatoa lehibe 69 taona no notifirin’izy ireo teo amin’ny lohany ka maty. Tranga izay niseho ny 06 aogositra lasa teo tokony tamin’ny fito ora maraina tany amin’ny kaominina Ambohibary Anjozorobe. Nohamafisina tao anatin’ny tatitra nataony fa notsimpon’ireo zandary ireo aza ny ambim-bala teo amin’ny manodidina ary tsy izany ihany fa notononiny tamin’izany ny anaran’i Sefo Alfredo sy Lieutnant Lazara. Nanao antso avo tamin’ny SEG moa ity farany ny mba anarahana akaiky izao raharaha izao fa mihoa-pefy ny fanararaotam-pahefana sy ny antso-jay misy any an-toerana.
Nitondra ny fanazavany kosa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary nilaza fa diso ny fizaram-baovao fa hoe namono olona ny zandary.Tsy tany an-toerana io Lieutnant Lazara izay voatonona anarana io fa nanao atrik’asa tany an-drenivohitra ary nanao asa fisamborana jiolahy no nalehan’ireo zandary tany amin’ny tranon’ity ramatoa ity izay mitondra ny anarana hoe Ravaozanany Julienne ity fa tsy hamono azy velively. Io ramatoa io izay renin’ireo jiolahy atao hoe Trofa sy Belouis izay nampiantranony ny 05 aogositra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo manam-pahefana ny ampitson’io fa avy dia tifitra no nasetrin’ireo jiolahy, namaly tifitra ireo zandary ka izay no antony nahavoa an’i Julienne izay niara-nitsaoka tamin’izy ireo. Tsy maty I Julienne fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
‘‘Marihina fa ireo jiolahy ireo dia tarik’i Delkely ary efa nokarohina nanomboka ny taona 2019, nanao asan-dahalo sy asan-jiolahy: ireo no nitifitra nahafaty ny zandary antsoina hoe Amby Cyrius, niasa tao Antanetibe Anativolo niseho ny 24 desambra 2019; mpiara-manao fanafihana sy fakana an-keriny niaraka tamin’i Delkely sy sy namany toy nitranga tao Marotsipoy ny faran’ny taona 2019 ihany ary isan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny nitranga tao amin’io tanana Ambohimanarivo io ihany koa tamin’ny jolay lasa teo, ary nahafatesana olona mihitsy aza.’’hoy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.
Manoloana izany, tsy mahatoky ny zandary intsony ny ankamaroan’ny olom-pirenena amin’ny fanararaotam-pahefana betsaka loatra ataon’izy ireo. ‘‘Efa maro loatra ny vaovao miparitaka, tokony arahi-maso avokoa ny zandary alefa any ambanivohitra rehetra any fa tsy hoe any dia any’’ hoy i Tiana, mpianatra mpandinika fiaraha-monina.
Ny zandarimaria mitana ny tenin’izy ireo hatrany ny hoe miaro ny vahoaka no antom-pisian’izy ireo fa tsy mamono ny vahoaka. Raha ny tokony ho izy, mahatsiaro filaminana ny mpiara-monina ary mandry am-pahalemana tsara amin’ny fisian’ny zandary izay mpiaro kanefa ny tranga-javatra miseho fahita matetika zandary manararao-pahefana no mameno ny tany indrindra any amin’ny ambanivohitra. Tokony asiana ny sazy henjana ho an’ireo zandary miniana mandika ny lalana.
Tsangy Randriamampianina
