France : Nanao fanambarana indray ny fitondram-panjakana
Handoavam-bola ny fitiliana tsy mila taratasy ny mpitsabo manomboka ny tapaky ny volana oktobra izao hoy ny fanambarana nataon’ny mpitondra tenin’ny governemanta Gabriel Attal ny 11 aogositra teo. Fepetra noraisana nandritra ny filan-kevitry ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny filan-kevitry ny minisitra izany.
« Tsy hanoy ny fandoavam-bola amina miliara amin’ny fividianana vaksiny ho an’ny olona tsy liana amin’ny fanaovana izany intsony ny governemanta » hoy ny filohan’ny fikambanan’ny sendikan’ny mpitsabo français, Luc Duquesnel.
