PolitiqueTatitra

Zambie : Mifidy filoha ao anaty krizy ara-toekarena ny firenena

Nandratsa-bato ho an’ireo kandida roa nilatsaka ho filoha ny alakamisy 12 aogositra teo ireo mpifidy ao Zambie. Nifanandrinan’i Edgar Lungu sy Hakainde Hichilema izany, izay mpifaninana efa hatramin’ny ela. Nitety ny firenena Afrique atsimo izay manan-karena amin’ny varahina ireto mpifaninana ireto nanomboka ny volana Mey na dia teo aza ny olana ara-pahasalamana. Nampanano sarotra ny fampielazan-kevitra nataon’izy ireo kosa ny krizy ara-toekarana tao an-toerana. Zambie no mantsy no firenena africain voalohany tsy hamerina ny trosany intsony.

Laisser un commentaire