France : Manintona maso ny « maison couleur du temps »
France : Manintona maso ny « maison couleur du temps »
Anisan’ny toerana malaza, manintona ny maso ary manana ny mampiavaka azy manokana ao Venas, France, ilay trano antsoina hoe « la maison couleur du temps ». Nanomboka tamin’ny taona 1970 ilay mpandoko, mpaka sary ary poeta frantsay, fantatra amin’ny anarana hoe Chop, no nanova ny toeram-poneny ho lasa toerana mampiranty ireo sary sy loko maro manaraka ny karazana vanim-potoana efatra eo amin’ny natiora sy ny olombelona.
Aingam-panahy manokana ary anisan’ny mampiavaka azy fanehoany ny talenta amin’ny filalaovana ireo loko amin’ny fizaram-potoana na ny « quatre saisons » izany hoe manaraka ireo volon’andro ny fanehoany ireo loko ampirantiany amin’ny anatiny sy ny ivelan’ny trano fonenany izay nampitondrainy ny anarana « la Cambrousse, aux couleurs des quatre saisons ».
Misintona ny maso avy hatrany ny fahitana ireo sary trondro goavana, ilay saka mirefy telo metatra sy ny sarin’ny « déesses antique » izay mitondra seho mahatalanjona raha vao mahita izany.
