Kaominina Ambohimangakely : Efa manomboka ny asa fanitarana ny trano fianarana amin’ny CEG
08 Aogositra, 12H00, Natao amin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fametrahana ny vato fototra amin’ny asa fanitarana ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Ambohimangakely. Tonga nanatanteraka izany teny an-toerana ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy sy ny talen-tsekoly ary ireo mpampianatra. Nametraka fitaovana entina hanaovana ny foto-drafitr’asa ihany koa ny kaominina.
