DépêchesTsidika

Antanimenakely Anosizato: Manao fitokonana ireo mponina

12 oktobra; Nanatanteraka fitokonana faobe ireo mponina avy ao Antanimenakely Anosizato omaly alina. Mitokona eo afovoan’ny arabe ireo mponina vokatry ny fahatapahan-jiro lava reny eny an-toerana. Nitohana ny fifamoivoizana teny amin’ny manodidina an’Anosizato nandritra izany fitokonana izany. Nahitana “disjoncteur” latsaka hoy ny jirama no nahatonga ny olana; efa andalam-pamahana ny olana izy ireo.

Laisser un commentaire