Paris : Natsahatra ny zotra-piaramanidina makany Bresil
Nanatsahatra ireo zotram-piaramanidina rehetra ho any Bresil i Paris mandrapaha-tonga ny fepetra vaovao indray. Raha ny fanambarana nataon’ny Praiministra Jean Castex ny Talata 14 Avrily lasa teo tany amin’ny Antenimiera. Handraisana fepetra araka izany ny fisorohan any Variant Brésilien P1 izay manomboka miseho ao France. Mbola tena ao anatin’io areti-mandringana io tanteraka mantsy i Brésil amin’izao fotoana izao. Raha ny lehibe sy ny zokinjokiny no voakasin’ny aretina ka hita betsaka eny amin’ny hôoitaly teo aloha, ankehitriny kosa, tsy mifidy intsony fa ahitana tanora betsaka marary aza ao amin’ny toeram-pitsaboana.
