SocialTsidika

Pérou : Kandidà roa no hifaninana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa

Hotanterahina ny 6 jona 2021 ny fifidianana andiany faharoa izay ho filoham-pirenena any Pérou. Kandidà roa no hifaninana amin’izany ka ahitana an’i Pedro Castillo avy amin’ny antoko avia sy keiko Fujimori antoko ankavanana. Mampifanohitra ny vahoaka rehetra any Perou anefa ny fisian’ireto mpifaninana ireto,ary ahiana ny mety hisian’ny fizarazarana sy fisarahana eo anivon’ny firenena. Ny talata 13 aprily lasa teo moa no namoaka ny valim-pifidianana ofisialy ny tompon’andraikitra amin’izany. Lavitra ny fampivondronana ny firenena taorian’ny krizy politika miverimberina teo amin’ny firenena. Misy ihany koa ankehitriny ny tsy fahatokisan’ny vahoaka izay mitondra eo amin’ny firenena sy ny solotenam-panjakana. Ny fifampihantsiana eo amin’ireo mpomban’ny antoko roa tonta no miseho matetika any an-toerana.

Laisser un commentaire