Liban : Fanarenana ny seranan-tsambo ao Beyrouth
Valo volana taorian’ny fipoahana mahery vaika tao amin’ny seranan-tsambon’ny Beyrouth, orinasa ivelan’ny firenena maro no mihevitra ny hahazo fifanarahana amin’ny fanarenana io seranan-tsambo io. Mampiseho vola amin’ny mialiara dolara maro ireo orinasa ireo, saingy mbola miady amin’ny fitaomanana amin’ny fampisehoana ny tanjaky ny vahiny ireo faritra maro any an-toerana. “Mijery ary maniry io seranana io avokoa ny mason’ny firenena matanjaka maro: anisan’izany ny sinoa, ny turcs, ny frantsay hatramin’ny Allemands”, hoy ny lehibe mpitantana ny seranan-tsambo ao Beyrouth Bassem al-kaissi. Saingy mbola mijanona faniriana ho an’ny firenena ivelany aloha izany hatreto, hoy hatrany io lehiben’ny seranan-tsambo io. Mbola miady amin’ny fanararaotana hataon’ny firenena ivelany ihany koa izy ireo ankehitriny, ahitan’ireo firenena ireo tombotsoa mantsy ny fanohanana izany.
