ActualitésTatitra

Colombie : Mandringana tantely any an-toerana ny poizina.

An’arivony maro ireo tantely maty tao Colombie nandritra ny taona nifanesy izao. Manameloka ilay poizina antsoina hoe “fipronil” ireo manam-pahaizana. Voarara tanteraka ny fampiasana azy io ao Europe. Araha maso akaiky kosa izany any Chine sy Etazonia. Fanindroany amin’izao hoy i Gildardo Urrego, mpiompy tantely iray ao Colombie no nisy tranga toy izao tao amin’ny toeram-piompiany. Tranontantely 10 amin’ny 19 ananany no ripaka tamin’ity indray mitoraka ity. Manodidina ny 50 000 anefa ny tantely ao amin’ny trano iray. Tao anatin’ny taona vitsy izay, mitaraina avokoa ireo mpiompy tantely manerana an’izao tontolo izao : ao Etazonia, Canada, Uruguay, France, Russie ary tonga hatrany Australie. Manambara izy ireo fa tsy azo antoka mihitsy ny fahafatesan’ireo tantely ireo. Tsy fanatatr’ i Urrego mazava ilay poizina namono ireo tantely tao aminy. Tsy nisalasala kosa anefa i Abdon Salazar, mpiompy tantely sady mpamboly iray ao amin’ny departemantan’i Quindio, 280 km atsimon’i Colombie, nanameloka ny “fipronil”. Maminavina ny mety fiparitahan’io poizina io amin’ny rivotra ireo manam-pahaizana. Fampiasa amin’ny fambolena ny “fipronil” ary anisan’ny biby kely tsy mahazaka azy ny tantely. Isan’ireo tena mila ny fampiasana azy ireo mpamboly zavoka noho io voankazo io sarotiny amin’ny biby kely. Mbola sarotra arak’izany ny tsy hivarotana azy intsony toy ny nataon’i Europe hoy Salazar. Efa mitady izay fomba hanavotana ireo tantely ompiany ihany koa anefa ireo mpiompy etsy ankilany.

Laisser un commentaire