Alasora : Vita soa aman-tsara ilay paompy vaky
Vita soa aman-tsara ilay paompy vaky tao Alasora teo. Tsiahivina fa efa amam-bolana maro moa ity paompy ity no vaky.
Niezaka nitady vahaolana hatrany ny ben’ny tanàna tao aorian’ny fitarainana nataon’ireo mponina. Marihina moa fa efa ela ireo mponina no nanao fitarainana tany amin’ireo tompon’andraikitra mahakasika izany saingy mbola tsy nisy mihintsy ny fanamborana volana maro taty aoriana. Nanampa-kevitra ireo mponina ny nanao fitarainana nivantana tamin’ny ben’ny tanàna ny farany, maro tokoa mantsy ireo olana nateraka izany, teo ny fahasimban’ny làlana sy ny maro sisa.
Famenontsoa Rajerison
