ActualitésTatitra

La Réunion : Misy ny rindram-baiko manampy ireo olona mamo hody

Mponin’i La Réunion maherin’ny 121 no maty nohon’ny fitondrana fiara nohon’ny hamamoana ny taona 2021 teo. Manoloana izany dia nanomboka nampiasa ny rindram-baiko (application) « Saint-Bernard » ireo tompon’andraikitra. Natao hiantsoana mpamily hitondra ny fiaran’ilay olona mamo io rindram-baiko io. Io mpamily io no manatitra ilay mpanjifa miaraka amin’ny fiarany any an-tranony ary arahina fiara iray hafa aoriana izy ireo.

Efa 5 taona io rindram-baiko io no nisy tao France. Sehatra iray hiantohana ny fiarovana eny amin’ny lalana izany hoy i Thomas Robert, mpitantana ny Saint-Bernard « service Outre-mer». Marihana fa efa miasa ao amin’ny « ultramarin » ihany koa io rindram-baiko io ankoatran’ny ao amin’ny nosy. Efa manodidina ny 30 kosa ny mpamily mivondrona ao amin’ny Saint-Bernard hoy ny tompon’andraikitra ara-barotrin’ny orinasa, Sébastien Léoste.

Laisser un commentaire