ActualitésTsidika

Alasora : Nihaona tamin’ny ben’ny tanàna ao Carry-le-Rouet ny ben’ny tanàn’Alasora

Nisy ny fifampiresahana mivantana teo amin’ny ben’ny tanàna roa tonta, dia ny ben’ny ao Carry-le-Rouet, any Frantsa sy ny ben’ny tanàna an’ Alasora, nandritra ny dia izay ataon’ity farany any an-toerana amin’izao fotoana izao. Raha ny voalaza, hisy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina roa tonta.

« Ny hitondra zava-baovao maro ho an’ny kaominina no tanjona ao anatin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa tahaka izao. Ny fiaraha-miasan’ny kaominina ireto izay efa nisy foana hatramin’izay ary hotoizana hatrany izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Ny fikatsahana fiaraha-miasa amin’ny any ivelany tokoa no antoka mampisy ny fandrosoana. Izay ihany koa no tena handrasan’ny mponina dia ny akony eny amin’izy ireo » hoy i Rafidy, mpandinika fiaraha-monina.

Efa maro tokoa ny fifandraisana sy  ny fiaraha-miasa nifanaovan’ireto kaominina roa tonta ireto, indrindra ny eo amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony, toa ny fanabeazana sy ny lafin’ny kanto sy ny kolontsaina. Hirariana araka izany ny hampaharitra izany hatrany mba ho tombotsoan’ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire