France: Tovolahy iray no maty nokendaina noho ny resaka “jeux-vidéo”
Notsaraina ny herinandro lasa teo tao amin’ny fitsarana tao Marne i Sidi Bekaye Fofana, 27 taona. Raha tsiahivina dia namono an’i Mehdi Boudraa, 19 taona izy noho ny resaka “jeux-vidéo”. Tao Reims no niseho ity tranga ity ny alin’ny 1 nifoha 2 mey taona 2017.
Zatovo maromaro izy ireo no nivorivory tamin’io fotoana io nilalao “jeux-vidéo Fifa” sady nandray zava-mahadomelina. Niloka 10 euros tamin’ny lalao famaranany i Mehdi Boudraa saingy resy, manoloana izany nitaky ny volana indray nefa izy. Rehefa tsy nanome i Sidi Bekaye Fofana dia niady izy roa lahy ary tonga hatramin’ny fanakendana izany ka niteraka ny fahafatesan’i Mehdi Boudraa.
Tsy nisy naintso ny manam-pahefana ireo zatovo rehetra nanatrika io zava-nisy io. Nisy tamin’izy ireo aza nanampy an’i Sidi Bekaye Fofana tamin’ny fanafenana ny razan’i Mehdi Boudraa. Voheloka higadra 6 taona an-tranomaizina kosa i Sidi Bekaye Fofana raha afaka niampagana fotsiny ihany ireo olona nanampy azy.
