ActualitésTsidika

Andrebakely: Tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireo mpampianatra nifety

Nandritra ny lanonana izay nokarakarain’ireto mpampianatra ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ireto no nisehoan’ny fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ireo sakafo izay nohanin’izy ireo ihany. Ireo mpampianatra avy ao amin’ny ZAP Andrebakely Avaratra no tena niharan’izany. Ny harivan’ny lanonana dia efa nisy ireo nampiseho fambara toy ny fivalanana sy ny fandoavana.

“Miisa 18 ireo mpampianatra no tratran’ity fanapoizinana ara-tsakafo ity. Efa nahazo ny fitsaboana mifandraika amin’izany avokoa moa ireo marary ka efa afaka nody. Tonga ara-potoana ihany koa ny mpitsabo ka izay no tsy nampanano-sarotra ny asa”, hoy i Dokotera Jedekia Rafalimanantsoa, mpitsabo ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola.

Mandritra ny lanonana hatrany no matetika hisehoan’ny fanapoizinana ara-tsakafo. Mila arahina maso ireo mpahandro amin’ny vokatra hampiasaina sy ny fahadiovana. Na ao an-trano ihany koa aza dia mila hajaina hatrany izany ary mila jerena tsara ny mahakasika ny fetr’andro afaka hampiasana ny vokatra iray. “Vantany vao marary ihany koa dia tokony hanatona mpitsabo satria ny aretina tsy mampilaza”, hoy ny torohevitr’ity mpitsabo ity hatrany.

Nanodidina ny 95 teo ho eo ireo mpampianatra naira-nilanonana nandritra izany fety izany ka nisehoana fambara avokoa izy ireo saingy efa nahazo fitsaboana avokoa raha ny tatitra avy amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana hatrany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire