ActualitésTsidika

Ny ataonao androany no hoavinao rahampitso

Isanandro, misy foana ny sedra tsy maintsy lalovana eo amin’ny fiainana mba hahazoana vokatra. Mety handresy ianao ary mety ho lavo ihany koa, izay no atao hoe  » miaina « . Tsy maintsy misy zavatra aterak’ireo vokatra roa ireo foana anefa ka anjarantsika no mifehy ny fihetseham-pontsika tsirairay avy.

Hasambarana no azon’ireo izay mahazo voka-tsoa ka mahomby eo amin’ny fiainana. Raha hazavaina misimisy kokoa dia tokony hasambarana ho anao sy ho an’ny hafa izany mba handrosoanao lalandava. Ny fanaovanao ny tsara amim-pahendrena no ahalasa lavitra anao noho izany. Fa ho an’ireo izay sendra ilay tsy fahombiazana kosa, hakiviana sy alahelo no tsy maintsy tonga ao amin’izy ireo. Tsy handroso fa dia ho lavo eo foana anefa raha izany no atao mibahana ao an-tsaina. Arak’izany, mila manam-piniavana hatrany ny tsirairay ka ho tonga saina fa nisy ny lesoka matoa tsy nahomby ny zavatra iray. Ny fiainana mantsy misy ratsy sy tsara foana noho izy tsy tonga lafatra, ary tsy maharitra izany fa mifandimby hatrany. Amin’ny ankapobeny, betsaka ny lesoka mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay ka tsy ho araka avokoa ny hanarina azy ireny tsirairay avy. Ny ho avinao no andeha ho banjinina amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra.

« Tsy misy tsy tafita izany rehefa miezaka sy manam-piniavana. Ho aiza anefa raha tsy hikiry amin’ity fiainana ity ? Moa ho lasa lavitra ve ? » hoy i Pierrot, raim-pianakaviana. « Efa vonon-kiharina aho ankehitriny satria tsapako loatra ny fahabangana nisy teo amin’ny fiainako noho ny fahakiviako ela loatra » hoy kosa i Martine, Tanora mpianatry ny anjery manontolo. Manome fankaherezana ara-tsaina ho antsika kosa anefa i Socrate, Rain’ny filozofia tandrefana » ny tsiambaratelon’ny fanovana dia ny fifantohana amin’ny herinao manontolo, tsy amin’ny ady amin’ny lasa fa amin’ny fananganana ny ho avy ». Manoloana izany, ny fikirizan no ataovy ho fitaovana mba hahatratrarana ny tanjona, dia ny fananganana ny ho avy, hoy ny manam-pahaizana.

Na inona na inona mitranga, ny ho avinao no ataovy an-tsaina mandrakariva ary ny fanovana avy amin’ny tenanao manokana no takiana amin’izany. Ekena fa olombelona ihany isika ary mety ho kivy indraindray kanefa mankahery antsika aho androany amin’ny tenin’i Socrate. Noho izany, mety hiantraika any amin’ireo tanora namana ve izany teny izany ka hipaka lalina ao an-tsain’izy ireo ? Ho betsaka ve ireo tanora hiharina ka hanangana ny ho aviny amin’izay manombok’izao ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire