ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nirosoana ny fanamboarana ireo lalana simba

Nirosoana ny fanamboarana ireo lalana simba ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Efa an-taonany maro no nisy fanamboarana farany izany lalana izany, raha ny voalaza.

“Efa an-taonany maro no tsy nisy fanamboarana ny lalana simba ety an-toerana io. Ny angatahana amin’ny tomponandraikitra dia ny hanamboarana izany hatramin’ny farany mba tsy hijanonana an-tenantenany ka vao maika mahatonga ny fahasimbana eo amin’ny lalana” hoy i Saholy, mponina ao Ambohitrarahaba.

“Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanamboarana ny lalana. Hiankinan’ny fampandrosoana izany kanefa adinon’ireo tomponandraikitra ny manao laharam-pahamehana izany indraindray. Tsy tokony hiandry antso na fitarainana amin’ny vahoaka vao hitondra fanamboarana izany” hoy i Nadia, mpivarotra.

Mangataka ny ahavitan’izany asa fanamboarana izany hatramin’ny farany, araka izany ireo mponina ao an-toerana. Misy milaza moa ireo mponina fa amin’ny maha ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao no mahatonga ny fikitihana ireo lalana simba ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire