ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tanora maherin’ny 60 isa nisitraka ny tetikasa « Tsy hankihetsika »

Tanora maherin’ny 60 isa avy amin’ny fokontany 18 izay mandrafitra ny kaominina Ankadikely Ilafy no voaray hiasa eo anivon’ny banky iray, ao anatin’ilay tetikasa “Tsy hankihetsika”. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny banky iray no nisian’ity asa ity, izay nosantarina tamin’ny fanomezana fiofanana ireo tanora.

“Nihatrika ny fiofanana mahakasika ny asa ireo tanora ireo ary izay rehetra naneho ny fahavononany ka nahafeno ny fepetra hahafahana manatanteraka ny asa dia noraisina avy hatrany. Izao dia tafiditra indrindra amin’ny ezaka ho fampananan’asa ireo izay tsy anasa na te hanatsara ny fidiram-bolany” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Hisaorana be dia be ny fanohanana ny tanora ato anatin’ny kaominina. anisan’ny ilain’ny tanora ankehitriny ary hita fa tsy ampy ny asa sy ny sehatra ho an’ny tanora. Ny angatahana mba hisy ny andiany manaraka ho an’ireo tanora mbola vonona te hisitraka ny tetikasa” hoy I Laurent, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Tafiditra ao antin’ny asa fampandrosoana ny fanomezana sehatra sy ny fanohanana ireo tanora, izay maro anisa indrindra eto madagasikara. Raha voavaha avokoa ny olana mahakasika ny tanora, ny sehatr’asa fivoarana, ny fianarana, ny fivelomana, handroso tokoa I madagasikara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire