ActualitésTsidika

Sekoly ambony Politeknika: miakarakara hetsika fampirantiana ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny “genie électrique”

Manatanteraka varavarana misokatra ho an’ireo izay liana amin’ny resaka elektrika ny fikambanan’nyb mpianatra “genie électrique” ao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona. Fampirantiana sy famelabelaran-kevitra hahafahana maneho ny ao anatin’ity asa ity sy hahafahana mampahafantatra amin’ny olon-drehetra ny fanavaozana afaka tanterahina eto Madagasikara.

Ho tonga hanatevin-daharana izany ny avy eo anivon’ny Jirama hanome fanampim-pahalalana hoan’ireo mpitsidika mandritra ireo roa andro ireo dia ny 26 sy 27 septambra izany. Maro ny loahahevitra ho dinihina mandritra ziany, anisan’izany ny mahakasika ny angovo azo havaozina, ireo fombna rehaetra hahafahana miteraka angovo, ny herin’aratra ho an’ireo any ambany vohitra ary ny saran’ny herin’aratra eto antoerana amin’izao fotoana izao.

“Hitedavana vahaolana amin’ny sehatry ny angovo ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka no anton’izao fampirantiana izao. Misedra izany avokoa na ny eto amin’ny tanan-dehibe hatramin’ny any ambany vohitra any, anisan’ny tsy maintsy ilain’ny mponinan anefa izy io ka izany indrindra no nanaovanay ho zava-dehibe ity jhetsika ity”, hoy ireo mpianatra ao antin’ny fikambanana. “Manampy ireo mpianatra sy ny tetik’asan’izy ireo amin’ny sehatry ny angovo izahay avy ato amin’ny Jirama ary mandray ihany koa ny najara biriky entin’izy ireo amin’ny famapandrosoana ny angovo eto Madagasikara”, hoy ny avy ao amin’ny Jirama.

Hiraraiana ny hahazoan’ny olondrehetra tombony amin’izao hetsika izao satria efa betsaka nyb latabatra boribory niresahan ity resaka angovo ity, teo ihany koa ireo ady hevitra isan-karazany, eo ihany koa ireo famelabelaran-kevitra. Toa ny teo ihany anefa nop teo raha dinihina ny zava-misy ankehitriny ka raha mba ny tanora indray no mandray andraikitra ve tsy mba hahomby ihany?!

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire