SocialTsidika

Endrika fifanampiana eo amin’ny samy orinasa.

Fikambanana tsy misehatra eo amin’ny lafiny politika, fa milatsaka an-tsitrapo manao fanampiana amin’ny lafiny rehetra ny Rotary Club. Mametraka paik’ady tsara izy ireo mba hahafahany manampy ireo olona sahirana, indrindra amin’ny lafiny ara-pivelomana. Tanjon’ny Rotary club ny hanatsara ny fiainan’ny olona tokony hila izany. Maro ireo asa efa nataon’izy ireo ho hanatanterahina io tanjona napetraka io. Anisan’ny nisitraka fanampiana avy amin’ity fikambanana ity ny orinasa tetsy Anosivavaka, Ambohimanarina. Niompana kokoa ho an’ireo vehivavy ny fizarana fanampiana nataon’ny Rotary Club. Nanolotra akanjo, sy zavatra maro samihafa ary kilalao ho an’ny ankizy izy ireo. Marihana fa tsy mampiasa afa-tsy vehivavy ity orinasa ity. Antony nitsinjovan’izy ireo manoka aireo vehivavy. Anisan’ny vehivavy niharan’ny tranga maro samihafa teo amin’ny fiainany avokoa no mandrafitra ny ankamaroan’ny mpiasa ao amin’ny Rotary Club. Navondrona ao anaty toerana iray izy ireo, hahafany mivelona sy miasa indray hamelomany ny ankohonany. Isan’ny nisitraka ireo fanampiana ihany koa ny vehivavy miasa ao amin’ny Rotary Club. Misy ireo karazana fitaovana enti-miady amin’ny valanaretina Covid-19 nozaraina tamin’io andro io. Anisan’ny mampazoto ireto vehivavy ireto amin’ny fiatrehana ny asany ny fahazoana fanampiana tahaka izao. Ilaina ihany koa ny fanampiana azy ireo ara-moraly.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire