Fandriam-pahalemana : Mpangalatra kodiaran-droa tratra
Tratra ny lehilahy iray mpangalatra moto. Marihina fa tao anaty Facebook nivarotra moto kymcco G5 100 CC no nahatrarana azy.
« Nisy olona nilaza ho vonona hividy ilay moto ary nifandray taminy. Natao ny ady varotra ary nifanaraka fa eny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka no toerana handoavana ny vola » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Rehefa tonga teny an-toerana dia nangataka andrana farany ilay mpividy hitsapany ny hisatra. Tamin’izay no novelominy ilay moto ary nentiny nirifatra ka tsy hita intsony ny nalehany » hoy ny olona lasibatra.
Taorian’ny fitoriana izay napetrak ‘ilay lehilahy nivarotra moto teo anivon’ny Sampan-draharaha miady amin’ny resaka cybercriminalité dia tratra ilay mpangalatra moto. Fantatra tamin’izany fa efa maro ny olona voany tahaka izao. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika any Antanimora ity lehilahy ity.
Nicole Rafalimananjara
