ActualitésTsidika

Fitaterana : Atao any amin’ny « soute » ve ny solosaina ?

Nitondra fanazavana mikasika Ilay fepetra tsy azo hitondrana valizy entina an-tanana misy kodiarana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filan-kevitry ny ministra ny 23 febroary teo ny fandraràna ny fampiasana ny kitapo na valizy misy kodiarana atao « bagage à main » hoy ny Ministra ity navoaka ity. »Ny antony dia tamin’ny alalan’ny « bagage à main » ny 90% n’ireo fanondranana an-tsokosoko ny volamena eto Madagasikara avokoa. Ny ordinatera koa hajanona satria misy mahavita manova ny plaque sy ny batterie hanafenana volamena » hoy ny Ministra Tinoka Roberto.

« Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izany no nahatonga izany hoy izy. Izay kojakoja na zavatra, fanafody ohatra, tena tsy afa-misaraka ihany no atao « bagage à main » mandritra ny sidina » hoy hatrany izy.Miandry ny fampitam-baovao ofisialy avoakan’ny fitondram-panjakana nefa vao manan-kery ity fanapahan-kevitra ity. Fantatra anefa fa tsy nisy izany fepetra izany akory tamin’ny filan-kevitry ny Ministra. 

Laisser un commentaire