ActualitésTatitra

Allemagne : Tsy azo idiran’ny olona tsy vita vaksiny ny Europa-Park

Mba hampiena ny firongatry ny valan’aretina covid-19 dia nandray fepetra hentitra ny fitondrana ao Allemagne. Tsy azo idiran’ny olona tsy vita vaksiny intsony ny Europa-Park sy ny Rulantica ao an-toerana. Marihina fa efa miditra amin’ny andiany fahalelo amin’ny valan’aretian mantsy i Allemagne amin’izao fotoana. Efa nahatratra 40 000 ny tranga vaovao tao an-toerana ny fito andro farany teo. Mahazo misitraka ny fitsidihana izany ihany nefa ireo ankizy tsy vita vaksiny raha ny fanazavana, manomboka eo amin’ny 7 taona no ho midina.

Laisser un commentaire