Ambohimangakely: Nandray vahaolana manoloana ny fiakaran’ny rano ny kaominina
Nanatanteraka fanadiovana ny lakan-drano teny amin’ny sampanana By Pass ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Niteraka olana teto Antananarivo sy ny manodidina tokoa mantsy ny fahatsetsenan’ny lakan-drano amin’ny fisian’ny rotsak’orana. “Fanombohana ny asa fanadiovana aloha ny teto amin’ny sampanana By Pass hatreny amin’ny fivoahan-drano M-Kiry. Nodiovina ny lakan-drano sy ireo fivoahan-drano. Noesorina ny bozaka sy ny fako. Nojerena ihany koa ireo tany nototoana tsy nanaraka drafi-panajariana” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. “Isaorana ny talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany eto Analamanga ary ny APIPA tamin’ny fanomezan-tanana ny kaominina nandritra ny hetsika. Mankasitraka amin’ireo fiaraha-miasa. Ary hiala tsiny tamin’ny fanelingelenana” hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimangakely, Randafy Thierry. “Mila mahay manaja ny fananana iombonana sy ireo fotodrafitr’asa napetraka ny vahoaka. Tsara ihany koa raha samy mandray andraikitra fa tsy hiandry ny mpitondra foana” hoy i Joro, mpianatra mikasika ny fampandrosoana lovain-jafy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ilaina tokoa ny fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra.
Nicole Rafalimananjara
