Pakistan : Olona 21 no matin’ny hatsiaka tao anaty fiara
Nisehoana filatsahan-dranomandry (tempête de neige) nandoza tao amin’ny tànanan’i Murree ao Pakistan. Olona 21 no matin’ny hatsiaka tao anaty fiarany rehefa taraiky tao anaty fitohanana niaraka tamin’ny fiara efa ho 100 000 hafa. Tavela nandritra ny telo andro tao anatin’ny fiara ireo olona ireo ary nihitsoka tao anatiny rehefa nandifitr’olona hatrany amin’ny 1,2 metatra ny ranomandry (neige).Nisy fianakaviana iray tamin’ireo olona 21 maty ireo, polisy niaraka tamin’ny vadiny ary ny zanany enina. Efa noezahina navotana ireo olona ireo hoy ny ministry ny atitany ao an-toerana Sheikh Rashid Ahmed, saingy nanano sarotra izany noho ny habetsaky ny ranomandry.
