PolitiqueTatitra

France : Misarika ny tanora hifidy azy amin’ny fampanatenana vola i Anne Hidalgo

Manatena ny hampiakatra ny taham-pifidianany amin’ny fisarihana ny tanora i Anne Hidalgo. Kandidan’ny antoko sosialista izy ary ben’ny tànan’i Paris.Nanampy fanam-pahan-kevitra maromaro nahatalanjona ny maro ho an’ireo tanora nanomboka amin’ny 18 taona hatramin’ny 25 taona ao amin’ny tetiandro izy. Anisan’izany ny fanolorana vola 564 euros (2 600 000 Ar) isam-bola farafahakeliny ho an’ireo tanora ireo. Antony hoy izy ny fahatsapana fa izy ireo no tena voasikin’ny fahantrana nefa tsy tafiditra ao amin’ny « minima sociaux ».Mitovy amin’ny rafitry ny RSA (Revenu de Solidarité Active) io fanam-pahan-kevitra noraisain’i Anne Hidalgo io. Ireo tanora manomboka ny 25 taona ihany nefa afaka misitraka RSA.Tsy vitan’izany nefa fa mbola mampanantena vola 5 000 euros (23 tapitrisa Ar) isaky ny tanora feno 18 taona ihany koa izy. Arotsaka mivantana amin’ny kaontin’izy ireo any amin’ny banky izany ary azony hampiasainy malalaka amin’ny tetikasany manokana na matihanina.

Laisser un commentaire