Belgique : Manomboka miakatra ny tahan’ny fampijaliana ny ankizy
Nahitana fampijaliana ankizy betsaka nanomboka ny fanombohan’ity taona ity tany Wallonie. Noho ny valan’aretina no tena antony. Ny fihibohana miverimberina no mahatonga ny ray aman-dreny sy ny zanaka mitoka-monina miaraka foana. Miantso ny tompon’andraikitra ao Belgique ny fikambanana « SOS ho an’ny ankizy » manoloana izao tranga izao. Nandritra ny taona 2021 mantsy, miisa 196 ny antso voarain’ity fikambanana ity. Miakatra ny isa ary mitambatra ho 478 izany nanomboka ny taona 2020. Mamono ny reniny ny rainy, avy eo mamono ny zanany. Antony lehibe ihany koa ny mbola fikatonan’ny sekoly any an-toerana amin’izao.
